Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Korea eto Madagasikara, Ramatoa Park Ji-hyun, anio 16 janoary 2026.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony ny dinika, indrindra amin’ny fanohanana ara-pitaovana. Tao anatin’izany dia nilaza fa hanome solosaina ho an’ireo Oniversite manerana ny Nosy i Korea amin’ny volana martsa ho avy izao, ho fanatsarana ny fepetra ianarana sy ny kalitaon’ny fampianarana.
Noresahana ihany koa ny hanapariahana ny “Information Access Center” any amin’ireo Oniversite hafa eto Madagasikara, tahaka ny efa misy eny amin’ny Sekoly Ambony Polyteknika Antananarivo Vontovorona (ESPA).
Naneho fahavononana ny roa tonta hanamafy hatrany ity fiaraha-miasa ity, ho fampandrosoana ny fampianarana ambony sy ho fampiroboroboana ny fampananan’asa ho an’ny tanora vao nahavita fianarana.