Manoloana ny toky nomeny hanatsara ny fari-piainan’ireo mpianatra malagasy, ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël dia nanolotra kidoro miisa 250 ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana ny 15 janoary 2026.
Herinandro monja taorian'ny fitsidihana nataon'ny Filohan’ny Fanavaozana tany Antsiranana ka nampanantenany ny hanampiana ny mpianatra ho fanatsarana ny fari-piainan’izy ireo dia efa hita taratra sahady fa mitàna ny teny nomeny ny Filoha ary mihaino ny hetahetan’ny vahoaka. Ny solontenan’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa moa no nisolotena ny Fitondram-panjakana tamin'ny fanolorana ireo fitaovana ireo tamin’ny fomba ofisialy.
Maneho izao hetsika izao fa ny fanavaozana dia mifototra amin’ny andraikitra, ny fihainoana ary ny asa tanteraka.