Notanterahina ny 15 janoary 2026 teto Fiadanana sy nampitain-davitra ny CPU voalohany ho an’ity taona 2026 ity, niarahan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy tamin’ireo Filohan’ny Oniversite manerana ny Nosy, ireo Tale Jeneralin’ny IST telo, ary ireo Filohan’ny Oniversitem-paritra.

Ny CPU dia fivoariana farantampony mandinika sy manapaka ny mahakasika ny tontolon'ny fampianarana ambony eto Madagasikara.

𝐍𝐢𝐟𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐝𝐢𝐦𝐲 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚

𝟏- 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝟐𝟎𝟐5-𝟐𝟎𝟐𝟔

Hifarana ny 16 febroary 2026 ny fisoratana anarana ary ny volana novambra no hifarana ny taom-pianarana.

𝟐- 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Hotanterahina ny 13 Marsa 2026 ao amin’ny Oniversiten'Itasy, Soavinandriana.

𝟑- 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐚𝐩𝐨𝐛𝐞𝐧𝐲

Ny Oniversite tsirairay dia hanolotra olona izay hampifandray ny Ministera sy ny Oniversite amin’ny fampitam-baovao isan-karazany.

𝟒- 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔

Efa nampitaina ny daty ofisialy hanatanterahana ny fanadinana. Hisy ny fametrahana DOB (Direction Office du Bac) ho an’ireo Oniversitem-paritra hanamora ny fandrindrana.

𝟓- 𝐒𝐚𝐦𝐢𝐡𝐚𝐟𝐚

Niresahana manokana ny momba ny fisoratana anarana, ny vatsim-pianarana, ary ireo fepetra hanatsarana ny fiahiana ny mpianatra.