Ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, dia mametraka ny fampiofanana mankany amin’ny famokarana angovo maharitra ho laharam-pahamehana.
Ao anatin’izany ezaka izany dia tonga nanome voninahitra ny lanonana fandraisana fitaovam-pampianarana sy fikarohana avy amin’ny tetikasa PeA2/TRANGA sy ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanofanana fianarana asa ao anatin’ny tetikasa TAFA ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka amin’ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara, Andriamatoa GUILLOIS Arnaud ny 13 janoary 2026, teny amin’ny IST Antananarivo.
Nandritra ny lahateniny, dia naneho fankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka, ny Minisitra, isan’izany ny Agence Française du Développement (AFD) tamin’ny fanohanana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto amintsika. Tamin’izany ihany koa no nanentanany ireo mpianatra mba hahay hikajy sy hikolokolo ireo fitaovana rehetra.
Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pahaizana « Licence » ho an’ireo mpianatra sy fanolorana « Attestation » ho an’ireo mpampianatra nanaraka ny fiofanana tamin'ny tetikasa TRANGA « Renforcement de capacité pour la transition et l’audit énergétique à Madagascar ».
Ity farany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny IST Antananarivo, ny Université Bretagne Sud (UBS), ary ny Université de La Réunion (UR). Ireo injeniera hivoaka amin’izany taranja izany dia efa vonona tanteraka hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa sy handray anjara mivantana amin’ny fampihodinana ny sehatry ny famokarana eto Madagasikara.