Niarahaba noho ny taom-baovao sy nitondra firariantsoa ho an’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ireo solotenan’ny Fivondronamben’ny Profesora avy amin’ny Oniversite manerana ny Nosy. Nisaotra ny Minisitra tamin’ny ezaka vitany ho an’ny Mpampianatra-Mpikaroka ihany koa ny Fivondronamben’ny Profesora, sady nitondra ny hetahetany ho fanatsarana hatrany ny sehatra.
Samy naneho ny fahavononany hifanolo-tanana sy hifanome tan-tsoroka ho fampandrosoana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ny roa tonta.