Notanterahina ny 9 janoary 2026 tao Andrainjato Fianarantsoa ny atrikasa momba ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hisokatra (habilitation) sy ny fiomanana amin’ny fankatoavana (accréditation) ny tolotra fampianarana eo anivon’ny Oniversiten’i Fianarantsoa.
Ity atrikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Anisan’ny tanjona amin’izao fidinana ifotony izao ny fizarana sy fanazavana ny politikam-panjakana mahakasika ny fampianarana ambony, ary ny fanohanana mivantana ireo oniversite amin’ny fanatanterahana izany.
Nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny Tale misahana ny "Accréditation et Assurance Qualité", Pr RAHARINIRINA Angelo , izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa.
Nandritra ny atrikasa no nomenazana ny tari-dalana momba ny dingana arahina amin’ny fankatoavana ny tolotra fampianarana mba hanamafisana ny kalitao sy hahazoana miantoka ny fanarahana ny fenitra.