Manamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanatsarana ny fepetra iainan’ny mpianatra ny Fitondram-panjakana. Ny 9 janoary 2026 dia natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo "forage" miisa telo ho an’ny mpianatra eny Ankatso I sy Ankatso II, ho fanamafisana ny fahazoana rano fisotro madio eo anivon’ny toeram-ponenan’ny mpianatra.
Ireo fotodrafitrasa ireo dia ahitana "𝑓𝑜𝑟𝑎𝑔𝑒" 𝑟𝑜𝑎 𝑣𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜 𝑎𝑜 𝐴𝑛𝑘𝑎𝑡𝑠𝑜 𝐼𝐼 𝑎𝑟𝑦 "𝑓𝑜𝑟𝑎𝑔𝑒" 𝑖𝑟𝑎𝑦 𝑛𝑜ℎ𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑖𝑛𝑎 𝑎𝑜 𝐴𝑛𝑘𝑎𝑡𝑠𝑜 𝐼, natokana ho an’ny rano fisotro madio, fanadiovana ary fidiovana.
Nanolotra tamin'ny fomba ofisialy izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana Ramatoa RAZAFINDRIANIAINA Anja Elia, izay maneho ny fiaraha-mientan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mpianatra.
Mpianatra manodidina ny 6 000 no hisitraka mivantana ity tetikasa ity, izay manamarika fiantohana ny fahasalamana, ny fahamendrehana ary ny fandrosoan’ny fampianarana ambony.