Nitsidika ny Oniversiten’Antsiranana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, ny 6 janoary 2026, ka nitafa mivantana tamin’ireo mpianatra teny an-toerana. Nandritra izany no nanehoany fankasitrahana sy fisaorana manokana ireo mpianatra niaro ny zo fototra maha-mpianatra, ary niantsoany azy ireo hijoro hatrany amin’ny fiarovana ny soatoavina sy ny tolona am-pahamendrehana.

Tetsy ankilany, nisaotra manokana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, tsy nanao ambanin-javatra ny fampianarana ambony tamin'ny alalan'ny ny fametrahana forage, panneaux solaires, ary fitaovana maro samihafa ho fanatsarana ny fari-piainan’ny mpianatra.

Nisaorana manokana ihany koa ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH) tamin’ny fametrahana "bloc sanitaire", ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina tamin’ny fanomezana vary, ary ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina rehetra nandray anjara.

Nambarany fa mbola hotohizana ny fanorenana fotodrafitrasa efa natomboka, indrindra ny fananganana trano R+1, ary misy ezaka mazava sy mitohy ataon’ny Fanjakana amin’ny fanatsarana ny tontolo iainan’ny mpianatra.

Nijery ifotony ireo fotodrafitrasa efa misy sy eo an-dalam-panatanterahana ny Filoha sy ireo mpiara-dia taminy, ka anisan'izany ireo "panneaux solaires", ny fametrahana "forage", ny trano fidiovana mirefy 96 m², ary ny fanorenana "hangar" mirefy 70 m x 15 m hapetraka vonjimaika handraisana mpianatra. Hatsangana ao amin'ny oniversite ihany koa ny Trano R+3.

Ho fanampin’izany, nisy ny fanomezana kojakoja maro ho an’ny fanadiovana sy ny fidiovana avy amin’ny MEAH, kidoro 250 avy amin'ny Fitondram-panjakana, ary nambara fa hahazo "connexion Internet" ny mpianatra, ahafahan’izy ireo manao fikarohana ara-tsiansa, iarahana miasa amin’ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT).