Ho fankasitrahana ny anjara birikiny miavaka tamin’ny fampandrosoana ny Firenena, indrindra eo amin’ny ady amin’ny aretina mifindra dia nanolotra ny mari-boninahitra ambony indrindra “Docteur Honoris Causa” ho an’i Dokotera Alain Mérieux ny Oniversiten’Antananarivo, ny 5 janoary 2026, tao amin’ny “Salle des Présidents” ao Ankatso.
Tonga nanatrika ny lanonana nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Talen’ny ivon-toeram-pikarohana CNARP, Pr RAKOTOSAONA Rianasoambolanoro niaraka tamin’ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr RANDRIANASOLO Rivoarison sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.
Mpamorona ny Fondation Mérieux, izay manana laza iraisam-pirenena, i Dokotera Alain Mérieux. Tsy mitsahatra ny miasa ho an’ny fahasalamam-bahoaka nanomboka ny taona 1967 tamin’ny ady maneran-tany amin’ny areti-mifindra. Mirotsaka tanteraka ao anaty asa fikarohana sy ny fanofanana ny tenany, indrindra eto Madagasikara.