Tonga nanolotra firariantsoa sy fiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona vaovao 2026 ho an’ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny mpiara-miasa akaiky aminy eto amin'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny 5 janoary 2026.
Naneho ny fankasitrahany ny Minisitra noho ny ezaka sy ny fanoloran-tena asehon’ireto farany amin’ny fanatanterahana ny asa napetraka amin’izy ireo ho an’ny fampandrosoana ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa nandritra izay roa volana izay.
Niarahaba sy nanolotra firariantsoa ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES Pr SALAVA Julien ihany koa ireto tompon’andraikitra ireto amin’izao tonon-taona izao.