Ho mariky ny fiandohan’ny taona vaovao 2026 dia niarahaba manokana ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, nandritra ny fananganan-tsaina, ny 5 janoary 2026.
Naneho fisaorana feno noho ny fiaraha-miasa sy ny ezaka vita tao anatin’izay roa volana izay ny tenany. Nanentana ny tsirairay ihany koa izy mba hanatanteraka amin’ny an-tsakany sy an-davany ny asa manandrify azy, ho fanatsarana hatrany ny kalitao sy ny fahombiazan’ny asa.
Ankoatra izany, nampahatsiahivina manokana ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny fepetra rehetra sy ny fitandremana amin’izao vanim-potoanan’ny valan’aretina izao, ho fiarovana ny tena sy ny mpiara-miasa.