Ho fanatanterahana ny vinam-pampandrosoan’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny toromarika avy amin’ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, eo amin’ny sehatry ny fikarohana, dia nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo Tale sy Lehiben’ny Sampandraharahan’ireo ivon-toeram-pikarohana sivy eo ambany fiahian’ny Ministera ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Hery Lisy Tiana RANARIJAONA, ny 13 mai 2025 tao Fiadanana.

- Teboka enina lehibe no nodinihina nandritra ny fivoriana :

- Fiomanana amin’ny fihaonana an-tampon’ny SADC izay hotanterahina amin’ny volana aogositra ho avy izao ;

- Fampahafantarana ny fisian’ny sy fanombohan’ny asa fikarohana ao amin’ny Trano Fihay Vao na Maison d’incubation, iarahana amin’ny PNUD-UNIPOD ;

- Fanavaozana sy fanitsiana ny lalàna sy torolalana mifehy ny fikarohana ;

- Fanavaozana sy fandinihana indray ireo lohahevitra 14 mahakasika ny fikarohana ;

- Fizarana ireo zava-bita lehibe nisongadina teo anivon’ny CNR ;

- Samihafa : famoronana gazety manokana “Hetsika fikarohana sy vokatra”, fananganana rafitra “Conférence des Directeurs des CNR” ho sehatra fihainoana sy fiaraha-mientana, fanamafisana ny fizaram-baovao hahafahana mamantatra sy manatsara ny lafin’ny fikarohana, ary fanavaozana ny votoatin-kevitra zaraina amin’ny tambazotran’ireo sampandraharaha tsirairay.


𝐑𝐞𝐧𝐟𝐨𝐫𝐜𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐜𝐨𝐨𝐫𝐝𝐢𝐧𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐞𝐭 𝐝𝐞𝐬 𝐨𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐞́𝐠𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐫𝐞𝐜𝐡𝐞𝐫𝐜𝐡𝐞 𝐬𝐜𝐢𝐞𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐚̀ 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫

Dans le cadre de la mise en œuvre de la vision de développement de Son Excellence Monsieur le Président de la République, Andry RAJOELINA, et conformément aux directives de Madame la Ministre de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique, Pr CHAMINAH Loulla, en ce qui concerne le domaine de la recherche, la Directrice Générale de la Recherche Scientifique, Pr Hery Lisy Tiana RANARIJAONA, a rencontré et échangé avec les Directeurs et Chefs de service des neuf centres de recherche placés sous la tutelle du ministère, le 13 mai 2025 à Fiadanana.

Six points majeurs ont été abordés lors de cette réunion :

- La préparation du Sommet de la SADC prévu ce mois d’août ;

- La présentation de l’existence et du démarrage des activités de recherche au sein de la « Maison d’incubation » (Trano Fihay Vao), en collaboration avec le PNUD-UNIPOD ;

- La révision et la mise à jour des lois et directives encadrant la recherche scientifique ;

- La mise à jour et la relecture des quatorze thématiques de recherche existantes ;

- Le partage des réalisations majeures enregistrées au niveau du CNR ;

- Divers : création d’un journal dédié aux « Activités et résultats de la recherche », mise en place d’un cadre de concertation et d’écoute sous forme de « Conférence des Directeurs des CNR », renforcement du partage d’informations pour une meilleure compréhension et valorisation des travaux de recherche, ainsi que l’actualisation des contenus diffusés sur les réseaux internes de chaque centre.