Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza Hetsika (...)
21 janvier 2022
21 janoary 2022

Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza
Hetsika fanadiovana faobe nataon’ny mpiasan’ny MESupReS

Androany, zoma 21 janoary 2022 dia nanatontosa hetsika fiaraha-mientana ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ho fanadiovana ny valan-java-boahary eto an-Tsimbazaza. Tonga nanome tanana ny fitaleavana « directions » sy ireo ivon-toeram-pikarohana « Centres de recherche » rehetra eo anivon’ny ministera amin’ny fanadiovana, toy ny CNRE, CIDST, FOFIFA, CNRIT, IMVAVET, CNRO, CNARP sy INSTN.

Natao ity hetsika ity hoy i Ramatoa Bezandry Brigitte Annie, Talen’ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza ( PBZT) « mba hisian’ny fifandrindrana kokoa eo amin’ny asa sy ny mpiara-miasa ary ho fandaminana ny anjara asan’ny tsirairay eo anivon’ny Parc. »
Marihina fa ny Parc Tsimbazaza no valan-java-boahary tantanan’ny MESupReS manokana ankoatran’ireo hafa izay tantanan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy.

Parc TsimbazazaParc TsimbazazaParc TsimbazazaParc TsimbazazaParc TsimbazazaParc TsimbazazaParc Tsimbazaza
Revenir    AccueilAccueil du site