May ny fonenan’ny mpianatra eny Maninday, Oniversite (...)
14 septembre 2020
Maninday toliara

May ny 10 septambra 2020 teo ny tranovondro izay fonenan’ny mpianatra eny Maninday, Oniversite Toliara.
Tsy niandry ela ny MESRS fa nandefa ireo mpanolotsainy 2 sy ny Filohan’ny oniversite nijery ifotony sy nanampy tamin’ny famonoana ny afo sy nankahery ireo mpianatra.
112 ny tranovondro may.
62 ireo mpianatra may trano teo an-toerana fa ny ambiny kosa dia mbola any amin’ny ray aman-dreny nandritra ny fihiboana fa may daholo ny entany.
50 kosa ireo tranovondro simba nandritra ny famonoana ny afo.
Marihina fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.
Nafindra vonjimaika ao amin’ny Amphi moa ireto mpianatra 62 tsy manan-kialofana ireto.

Nisy ny fizarana vatsy ho azy ireo hataon’ny MESRS ampitso marainan’iny tranga iny mandra-pahatongan’ireo fanampiana samihafa.
Efa ao anaty tetikasan’ny MESRS ihany koa ny fanorenana trano fonenana ho an’ny mpianatra ao Maninday ka hatomboka alohan’ny faran’ny taona, izay fanapahan-kevitra noraisin’ny Ramatoa Ministra Pr Elia Béatrice ASSOUMACOU raha nandalo nitsidika ireo tranovondro ireo tany Maninday izy tamin’ny volana martsa lasa teo.
Mankahery ireo mpianatra traboina ny MESRS.

10 septambra 202010 septambra 202010 septambra 2020
Revenir    AccueilAccueil du site
slot slot gacor link slot gacor slot777 slot gacor slot gacor slot slot88 slot online bet88 judi bola bet88 https://ppid.idu.ac.id/produk/sepuh77/ https://journalng.uwks.ac.id/file/trend/ https://2021.kinerja.ekon.go.id/halal/bet88 https://pariwisata.darmajaya.ac.id/wp-content/themes/ http://bpbd.karangasemkab.go.id/amp/ bet88 bet88 bet88