AKADEMIA MALAGASY
📌Lanonam-pankalazana ny faha-120 taonan’ny Akademia Malagasy
Mahajanga, 20 may 2022.
Taorian’ny lanonam-panokafana natao tao Antananarivo sy Fianarantsoa, dia Mahajanga no nandray ny lanonana fankalazana ny faha-120 taonan’ny Akademia Malagasy, izany dia notanterahana tao amin’ny Maison de la Communication et de la Culture.


Amin’ny maha mpikambana mpifandray azy ao amin’ny Akademia Malagasy dia nanotrona izany taty an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Pr. ASSOUMACOU Elia Béatrice.


Nifantoka tamin’ny fanasongadinana sy kolontsaina malagasy fa indrindra ny teny malagasy ny hetsika izay nitondra ny lohahevitra hoe : "Sehatra avo lenta ifampizarana amin’ny rehetra ny fahalalana an’i Madagasikara sy ny Malagasy". Nitohy tamin’ny fifanolorana fanomezana fahatsiarovana sy velan-kevitra samihafa ny fotoana.
Hotanterahana any Toliara indray ny fotoana manaraka amin’ny volana Septambra.

 |