#Hevokina sy #Vaseline_Nialoulée, fanafody novokarin’ny (...)
2 avril 2020
31 martsa 2020

#Hevokina sy #Vaseline_Nialoulée, fanafody novokarin’ny #CNARP (Centre National D’Application de Recherches Pharmaceutiques) hanampiana ny Malagasy hiatrika ny #COVID_19
Miara misalahy, miasa andro aman’alina ny komity siantifika mitady ny vokatra ahafahana manampy ny mpiara-belona sy mitsinjo ireo izay efa mitondra ny tsimokaretina #Coronavirus.
Tamin’ny taona 1997 no efa nahazo fahazoan-dalana hovarotana eny amin’ny tsena ny Hevokina sy Vaseline Nialoulée, voka-pikarohana avy ao amin’ny CNARP. Efa manana antonta-taratasy siantifika ireto vokatra ireto.Tsy manasitrana tanteraka fa manamafy ny hery fiarovana. Azo itsaboana ireo soritr’aretina sasantsasany amin’ny coronavirus toy ny kohaka sery, areti-tenda, ary indrindra, afaka manampy ny fitsaboana ataon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ireo marary.
Evoka no tena ampiasana azy ary tsy misy fiantraikany na voka-dratsy amin’ny fahasalamana.

Raha ny fitaovana misy ao amin’ny Cnarp dia ampy ho an’ny rehetra ireto fanafody ireto saingy mbola natokana ho an’ireo marary ihany izany aloha hatreto.Hita eto amintsika avokoa ny akora fototra anamboarana azy.
Marihana fa ny CNARP dia ivon-toeram-pikarohana iray ao anatin’ireo ivon-toeram-pikarohana 9 eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika manome lanja ara-tsiansa ny fikarohana fanafody raokandro Malagasy.

Ny Minisitra Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice dia mamporisika hatrany ireo mpikaroka sy mpampianatra mpikaroka namana rehetra hanohy ary tsy hitsahatra amin’ny fikarohana sy fanasongadinana ireo voka-pikarohana.
Manome toky ny Ministera foibe fa hanampy ary handray an-tanana amin’ny fividianana sy fanangonana ireo akora fototra ireo.

Teny amin’ny Foibe CNARP Ambohijatovo-Ambodivoanjo - entre l’IMATEP et l’Ambassade de la RussieTeny amin’ny Foibe CNARP Ambohijatovo-Ambodivoanjo - entre l’IMATEP et l’Ambassade de la RussieTeny amin’ny Foibe CNARP Ambohijatovo-Ambodivoanjo - entre l’IMATEP et l’Ambassade de la RussieTeny amin’ny Foibe CNARP Ambohijatovo-Ambodivoanjo - entre l’IMATEP et l’Ambassade de la RussieTeny amin’ny Foibe CNARP Ambohijatovo-Ambodivoanjo - entre l’IMATEP et l’Ambassade de la RussieTeny amin’ny Foibe CNARP Ambohijatovo-Ambodivoanjo - entre l’IMATEP et l’Ambassade de la RussieTeny amin’ny Foibe CNARP Ambohijatovo-Ambodivoanjo - entre l’IMATEP et l’Ambassade de la Russie
Revenir    AccueilAccueil du site
slot slot gacor link slot gacor slot777 slot gacor slot gacor slot slot88 slot online bet88 judi bola bet88 https://ppid.idu.ac.id/produk/sepuh77/ https://journalng.uwks.ac.id/file/trend/ https://2021.kinerja.ekon.go.id/halal/bet88 https://pariwisata.darmajaya.ac.id/wp-content/themes/ http://bpbd.karangasemkab.go.id/amp/ bet88 bet88 bet88