Hetsika tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa noho ny (...)
21 avril 2020
02 sy 03 aprily 2020

Tahaka ireo oniversite rehetra manerana ny Nosy dia nahazo ny anjara fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana foibe ireo mpianatra eto amin’ny Oniversite Fianarantsoa Andrainjato, ho fiaraha-mientana amin’ny fiatrehana ny valan’aretina COVID-19.
Vary roa taonina sy menaka 240 litatra no natolotra an’ireo mpianatra, ka ny Talen’ny Fitantanana ara-bola avy ao amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Benja Andriantsizehena Daniel, no tonga nanolotra an’izany ny 02 aprily 2020.
Ho setrin’izany dia nanolotra fisaorana ireo ray aman-dreny mpitondra fanjakana, izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina Rajoelina, ny Praiministra Ntsay Christian ary ny Ministra Pr Beatrice Assoumacou, ny Filohan’ny Oniversité Pr Rafamatanantsoa Fontaine, amin’ny fitsinjovany ireo mpianatra amin’izao fotoan-tsarotra lalovany izao. Tonga nanotrona ny fanolorana an’ireo fanampiana ireo ny solombavam-bahoaka vitsivitsy voafidy tato amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa.

Araka ny toromarika nomen’ny Ministra Pr Beatrice Assoumacou, dia mitohy ireo hetsika ho fanampiana ny mpianatra noho ny ady amin’ny fiparitahan’ny Covid-19. Ny Zoma 03 Aprily 2020 dia ny mpianatra ho mpitsabo ety amin’ny Oniversite Fianarantsoa indray no notoloran’ny Filohan’ny Oniversite Pr Rafamantanantsoa Fontaine, fitaovana sy vatsy. Nosafidiana manokana ireto mpianatra ireto noho izy ireo miantsehatra mivantana, mitsabo sy mikarakara ireo vahoaka mpiara-belona mba tsy hiparitahan’izany valan’aretina izany. Ankoatran’ ny vary sy menaka ary voamaina dia notolorana « masques cache-bouche » sy « gel hydroalcoolique » koa ireto mpianatra ho mpitsabo ireto. Tsy hadinon’ny mpitantana ety anivon’ny Oniversite ihany koa ny nankahery sy nirary soa azy ireo amin’ny asa masina atrehin’izy ireo ho fanompoana ny vahoaka sy ny firenena manoloana ity fahavalo iombonana dia ny Covid-19 izany.
Tonga nanotrona ny fanolorana ireo fanomezana ireo ny « Doyen de la faculté de Médecine « sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny fitantanana ny Oniversite

Andrainjato - Oniversiten’i FianarantsoaAndrainjato - Oniversiten’i FianarantsoaAndrainjato - Oniversiten’i FianarantsoaAndrainjato - Oniversiten’i FianarantsoaAndrainjato - Oniversiten’i FianarantsoaAndrainjato - Oniversiten’i FianarantsoaAndrainjato - Oniversiten’i Fianarantsoa
Revenir    AccueilAccueil du site
slot slot gacor link slot gacor slot777 slot gacor slot gacor slot slot88 slot online bet88 judi bola bet88 https://ppid.idu.ac.id/produk/sepuh77/ https://journalng.uwks.ac.id/file/trend/ https://2021.kinerja.ekon.go.id/halal/bet88 https://pariwisata.darmajaya.ac.id/wp-content/themes/ http://bpbd.karangasemkab.go.id/amp/ bet88 bet88 bet88