Fanampiana ho an’ireo mpianatra may trano tany Toliara
21 septembre 2020
19 septambra 2020

Efa tonga soamantsara any Toliara ny 19 septambra 2020 ny fanampiana avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho an’ireo mpianatra traboina noho ny famaizan’ny trano fonenan’izy ireo ny 10 septambra 2020 lasa teo.
Ny Minisitra TINOKA Roberto, amin’ny maha Minisitra mpiahy ny faritanin’ny Toliara azy no nanolotra ireo fanampiana ireo ho an’ny mpianatra traboina tao amin’ny cité Maninday.

Vary 62 gony, voamaina 5 gony, sira 3 gony, menaka, savony, lamba firakotra 62 , fonosana lamba firipy 2, kojakom-pianarana toy kitapo, kahie 10 boritra, stylo miisa 224 ..., fitaovan-dakozia (vilany 81, harona 70, vilia, sns...)

ManindayManindayManinday
Revenir    AccueilAccueil du site