Fanakorontanana ny fampielezana tsaho eo anivon’ny "cités (...)
2 février 2022
02 février 2022

Fanakorontanana ny fampielezana tsaho eo anivon’ny "cités universitaires"

Voalaza ombieny ombieny fa misokatra mandrakariva ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin’ny dinika rehetra angataham-panazavana sy ny ho famahana olana.
Ny 01 febroary 2022, dia nisy solon-tenan’ny mpianatra monina eny amin’ny toeram-ponenana tonga nanatona ny ministera nangataka fanazavana sy nizara ireo ahiahiny manoloana ireo ny fampielezana tsaho amin’ny filazana fa « ho roahina amin’ny trano daholo izy ireo ary esorina aminy ny zo mahampianatra azy ka harodana ny trano rehetra ».

Na dia efa nivoaka ny Birao fiasàna hamonjy fotoana hafa aza ny Minisitra tomponandraikitra, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice dia nifanatona tamin’ireto mpianatra ireto, nihaino ny tarainany sy nananazava fa tsy tokony hiaina amin’ny honohono sy hanaraka tsaho miely ary aely etsy sy eroa ny rehetra fa hifantoka amin’ny asa sy adidy aman’andraikiny avy.Fomba iray entina hanakorontanana ny fanamparitahana vaovao tsy marina.Amin’ny maha-raiamandreny sy zanaka mifampiresaka dia tsy nisorona tamin’ny fananarana ny minisitra mba tsy handairan’ny fanakorontanana amin’ny endriny samihafa indrindra amin’izao vanimpotoana sarotra taorian’ny fandalovna’ny rivo-doza izao.

Nampahafantarina teto fa mba hanatsarana ny fitantanana dia miroso hatrany amin’ny fanatobiana nomerika izay efa natomboka iny taona 2021 iny ny tomponandraikitra izay mbola tohizana hatramin’izao 2022 izao. Efa niroso tamin’ny « digitalisation » ny vatsimpianaran’ny mpianatra, ny karaman’ny PAT, ary mitohy amin’ny « digitalisation » ny fitantanana ny toeram-ponenana mba ho fanatsarana sy fanaraha-maso ny fitantanana.
Mbola nanamafy hatrany ny minisitra miahy ny fampianarana ambony fa misokatra mandrakariva ny varavaran’ny ministera hoamin’ny fifampidinihana.

Mesupres-FiadananaMesupres-Fiadanana
Revenir    AccueilAccueil du site