BOENY : NISOKATRA TAMIN’ NY FOMBA OFISIALY NY ASIEF
2 novembre 2021
31 octobre 2021

BOENY : NISOKATRA TAMIN’ NY FOMBA OFISIALY NY ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) :

Lanonana ara-panatanjahan-tena voasokajy ho fifaninanam-pirenana ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Hoan’ity taona 2021 ity dia ny renivohitr’i Boeny no nandray ny fifaninanana.

Nanokatra izany tamin’ny fomba Ofisialy ny Praimnisitra NTSAY Christian notronin’ny mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny Governemanta, ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry avy amin’ny andrimpanjakana samihafa misy eto amintsika.

Any an-toerana kosa ny Minisitra mpiahy ny faritra Boeny ny
Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, nankahery sy nanotrona ireo atleta avy amin’ny oniversite efatra (Oniversiten’ny Antananarivo, Oniversiten’ny Fianarantsoa sy ny PAT Fianarantsoa, ary ny Oniversiten’ny Mahajanga) sy avy amin’ny ministera foibe (CROUA,IMVAVET,PBZT) izay mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ,amin’ny maha Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa azy.

MahajangaMahajangaMahajanga
Revenir    AccueilAccueil du site