Ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy dia nanatanteraka ny adidy masina amin’ny fandrakofana ala indray an’i Madagasikara ny andriambavilanitra Malagasy tarihin-dRamatoa Mialy RAJOELINA vadin’i Filoham-pirenena sady Reny iombonan’ny Malagasy rehetra, notronin’ireo Minisitra sy Minisitra lefitra vehivavy, miisa 12 ao anatin’ny Governemanta ka isan’izany ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Tao Andraikiba, Distrikan’Antsirabe, Faritra Vakinankaratra, no nanatanterahana ny hetsika fambolen-kazo.



" Viavy miavotse , miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy" no lohahevitra noraisina ho amin’izao fankalazana ny andron’ny vehivavy 2022 izao.



🔸Fambolen-kazo
Zana-kazo miisa 5000 eo ho eo no novolena tamin’ity indray mitoraka ity. Teknika fambolen-kazo japoney efa fampiasa amin’ny firenena maro no nampiasaina.
Marihina fa Andraikiba dia anisan’ny toeram-pitsangatsanganana manintona mpizaha tany maro ao @ Faritra Vakinankaratra.



🔸Varotra fampirantiana
Ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy izay atao ao Antsirabe amin’izao fotoana izao dia misy ny varotra fampirantiana ireo vokatry ny asa-tanana sy fandraharahana ataon’ireo vehivavy isam-paritra. Hetsika izay atao eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena eo amin’ny Lagara.

Minisitra mpiahy ny Faritra Boeny (ministre coach) ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, saingy tsy nisalasala izy nitsidika ireo trano heva natokana ho an’ireo Faritra efatra misy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga, dia Boeny, Sofia, Betsiboka ary Melaky. Niarahaba sy nankahery ary nanome fanomezana ho an’ireo vehivavy solontenan’ireo Faritra ireo Ramatoa Minisitra.
"Tena hita sy tsapa tokoa ny fandraisan’ny Vehivavy Malagasy anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiaraha-monina, na aiza na aiza toerana sy sehatra ahitana azy, eny fa na dia ny ao an-tokatrano fotsiny ihany aza.
Tena hita fa miady sy mitraka tokoa ny vehivavy, koa noho izany dia mendrika hotohanana sy homena sehatra hivelarany izy ireo amin’ny ezaka ataony", hoy Ramatoa Minisitra.

 |